<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jeso! Vory izahay FFPM239</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ! vory izahay,
 Fa andronao anio
 Dia avy mba hivavaka
 Atý an-tranonao.

[V2]
 Ka na aiza na aiza ny olonao
 No vory toy izao
 Ny herinao mba asehoy,
 Efao ny teninao.

[V3]
 Ny hira ikambananay
 Atý an-tranonao.
 Ekeo ho fanandratana
 Ny voninahitrao.

[V4]
 Ny vavaka tononinay
 Eo anatrehanao.
 Mba raiso ho fanatitra
 Ankasitrahanao.

[V5]
 Ny teny fitarainana
 Ataon'ny ory koa
 Soloy fifaliana
 Hisaoranay Anao.

[V6]
 Ny teninao halahatra
 Hambininao anie
 Hamelom-pitiavana
 Am-pon'izay mandre.</lyrics>
<hymn_number>239</hymn_number>
<author>J.S. Irvine</author>
</song>